Kianja Barea

Ho vitaina alohan'ny 15 mey ?


  • Talata 23 Aprily 2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Midika izany fa misy asa goavana tontosaina ao saingy tsy fantatra hoe asa inona ary iza ny orinasa nahazo ilay tsena. Tsy misy fanazavana mianga rahateo na avy any amin'ny FMF na avy any amin'ny fanjakana. Ny tsilion-tsofina no nahafantarana fa ho vitaina alohan'ny 15 mey izay hatao ao. Ary dia izay no midika fa mieritreritra ny federasiona hanala ilay tsy fankatoavan'ny CAF mba ho azo handraisana ny Comores sy Mali ny volana jona io kianja io. Raha izay no izy dia tena mbola raharaha manaraka ny arabe na dia ny fanavaozana ny bozaka ihany aza noho ny ririnina efa miditra. Ireo vavahady fidirana na ireo tohatra hidinana eny an-kianja dia mety tsy hananosarotra satria manana ny ampy amin'izany ny filoha Alfred Randriamanampisoa. Saingy mbola tsy vatsiana ilay fitaovana fanisana ireo olona miditra (tourniquet) ka io no mety hanahirana kely. Saingy tena ilaina mba ahafantarana ny vola azo marina satria io hatramin'izay no tena fositra nanimba ny baolina kitra eto an-tanana. Tsy an-jaza kosa ny asa miandry sisa satria tsy vita ny fanitarana ny efitra fisoloan'ireo mpilalao akanjo izay asiana fitaovana manara-penitra fa mbola mila vatsiana fitaovana ihany koa ny efitra fitsaboana ho an'ny mpilalao sy ho any mpitsara. Ny farany fa tsy ny kely indrindra dia ny toerana natokana ho an'ny mpanao gazety izay mila tafoina ary indrindra indrindra asiana ireo fitaovana rehetra ampiasainy amin'ny fampitana vaovao. Raha voafaitra toy izany mantsy io dia ho sarotra ho anireo tsy mpanao gazety no hiditra ao eny fa na ireo antsoin'i Siteny Randrianasoloniaiko amin'ny fiteny avy any Atsimo hoe Tsiboko izany hoe ireo milaza mpanao gazety nefa tsy manoratra akory.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT