Kianja Barea

Andrasana indray ny valim-pitsirihana!


  • Zoma 19 Septambra 2025

Raha ny vaovao voaray omaly izany dia hoe vita daholo

amin’izao fotoana izao ny fampanarahana ireo fenitra na «recommandations» an’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF mikasika ny Kianja Barea Mahamasina. Fiaraha-miasan’ny SENVH sy ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF no anton’izany, raha ny fanazavàna. Manara-maso akaiky ny fanatsaràna ny bozaka na «pelouse» koa ao anatin’izay ny FMF. Azo daholo amin’izao fotoana izao ireo fitaovana heverina ho matihanina, araka ny fitakian’ny CAF hatrany. Isany ny antsoina hoe «scarificateur» sy «dennis verticuter» novidiana manokana ho an’ity kianja ity. Vonona hiatrika ny fitsirihan’ny CAF ho atao ato ho ato indray, araka izany, ny kianja, raha ny fanazavàna hatrany. Isan’ny fanamarihana ataon’ireo mpanohana ny fitondràm-panjakàna ankehitriny sahady moa ny hoe arakaraky ny fenitra takian’ny lalao iraisampirenena izay ho atao eo amin’ny kianja iray na ny fifaninanana ho atao ao koa nefa no ahafahana mahazo na tsia ny fankatoavana na «homologation» ho ana kianja iray. Fanamarihana ho fialàna bala sahady ve? Isany ihany koa izany, ohatra, ny hoe mahazaka mpijery firy ilay kianja na koa hoe manao ahoana ny velarany? Na izany na tsy izany aza anefa, tsy efa kianja manara-penitra hatrany am-boalohany ve moa no niantsoan’ny filoham-pirenena ankehitriny sy ireo mpiaradia aminy ny kianja ka nahoana no mbola misy hoe arakaraka izany? Tsy tokony hijanona ho manara-penitra, araka izay fiantsoana azy hatramin’izay foana ve ny atao hoe kianja manara-penitra na inona fotoana? Sa sanatrian’izany handraisana tsinjaka be toy ny efa nahazatra izao fitondràna izao indray atsy ho atsy ny bozaka dia samy hanitsaka azy eo avokoa na ny kiraro tsy misy vodin-tongotra na ny tongotra vakivaky sy ireo rehetra tsy misy godasy? Andrasana indray ny valim-pitsirihana aloha!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT