Sport

Kianja Alarobia Mandroso ny asa


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Efa mahavelom-bolo ny zava-bita eny amin'ny Kianja Alarobia nasiam-panavaozana. Am-polon-taona aty aoriana dia voasolo ihany ny karipetra fihazakazahana.

Mamita ireo tsipika manasaraka sisa ireo mpiasa marobe izay manamboatra hatrany amin'iny ati-trano sy ny fitoerana fidiovana. Ity izany aloha no vokatra azo tsapain-tanana nateraky ny fandraisana ny andiany faha 11 ny Lalaon'ny Nosy. Vokatra tena tsara satria efa hita soritra ny fitohizany satria azo antoka fa ho lasa foibe fiofanan'ireo atleta misongandina manerana an'i Madagasikara. Mbola tsara noho ny medaly volamena ny nahivatana ireo fanamboarana ireo. Mbola tsara lavitra noho ny kianja Mahamasina aza satria azo anaovana ireo taranja tehetra toy ny 3000 m steeple izay nofoanana tao anaty fandaharan'ny Lalaon'ny Nosy. Efa mipetrapetraka koa ireo toerana ahafahana manao ny javelot. poids, disque ary ny vikimiakatra sy perche. Ny bozaka moa no tsy afa-misaraka amin'ireo taranja ireo ka dia efa nokarakaraina fatratra. Raha tsorina dia miverina amin'ny endriny tany am-boalohany ny Kianja Alarobia. Ary tsy diso ny filazana fa ity aloha ny medaly volamena voalohany ho an' ny atletisma malagasy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT