Kenji-Van Boto

Hifindra ao Suisse


  • Zoma 05 Jolay 2024

Raha atotaly dia miisa 138 ireo lalao niarahan’ilay vodilaharana malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra,

Kenji-Van Boto, niaraka tamin’ny klioba frantsay AJ Auxerre. Tao anatin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa na «Ligue 2» ny 136 tamin’ireo ary divizionina voalohany na «Ligue 1» kosa ny 2. Hitodi-doha any Soisa indray ankehitriny ity mpilalao ity ary azo ambara ho niakatra hatrany ny lentany satria dia ny FC Sion, divizionina voalohany soisa, indray izany izao no hiara-dalana aminy taorian’ny nandalovany tao amin’ny Pau FC, klioba frantsay, divizionina faharoa, nilalaovany farany. 28 taona moa ankehitriny ny lehilahy. Mirefy 1,83 metatra. Efa ela ity ekipa soisa ity no naniry hanana an’i Kenji ary ankoatran’ity ekipa manana ny lazany any an-toerana ity dia efa nikitika azy ihany koa ny divizionina voalohany belza, Anderlecht, ny taona 2022. Teo amin’ny resaka fampindramana sy fakana azy ho mpilalao raikitra tao amin’io klioba io kosa tamin’izay fotoana izay, raha tsiahivina, no nipetrahan’ny fisalasalana. Ankehitriny izany aloha dia manana vodilaharana mivoatra any amin’ny fifaninanam-pirenena voalohany ao Soisa indray isika ary hirariana mba hampivoatra ny aavo tekinika sy lentan’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barean’i Madagasikara koa izany. Raha tsy dia sanatria hoe tsy ho voaantso indray angamba ity rindrimbe ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT