Sport

Kempo sy MMA Malagasy Namondrona hery tetsy Andavamamba


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Noho ny fiparitahana be loatra misy dia namondrona hery tetsy amin’ny Dojo Dujang Sorang etsy Andavamamba tamin’ny sabotsy

 

 tolakandro teo ny mpiangaly ny taranja haiady fiarovan-tena Kempo sy Mma Malagasy notarihan’i Me Rakotonirina Parfait mpanorina azy teto Madagasikara. Faritra 3 amin’ireo Faritra 6 efa ahitana mpiangaly an’ireo taranja haiady ireto (Analamanga, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vakinankaratra ary Itasy) no nahatonga solontena niatrika an’izany fihaonana izany. Raha ny marina, hoy i Me Parfait, dia fijerena ifotony ny  teknika sy fihetsika azo atao sy tsy azo atao amin’ireo taranja ireo no tena natao teny Andavamamba io hahazoana miroso amin’ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly heverina hotanterahina amin’ny faran’ny septambra na voalohandohan’ny oktobra 2019 izao  aorian’ny fankatoavan’ny minisiteran’ny fanatanjahantena Malagasy ny Federasion’ny Kempo sy MMA “Mixed  Martial Arts” izay tarihako vonjimaika ankehitriny. Miandry an’io fankatoavan’ny minisitera io ihany koa ny GAMMA “Clobal Association Mixed Martial Arts” hahazoan’ny mpikatroka Malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ity taona 2019 ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT