Sport

Kempo Submission Tompondaka eran-tany i Lova Randrianasolo


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Ilay Malagasy Lova Randrianasolo no voahosotra ho tompondaka eran-tanin’ny taranja haiady Kempo Submission tamin’ity tompondaka eran-tany andiany faha 18 ity izay natao tany Tonizia ny 12 hatramin’ny 16 mey teo.

Malagasy, hany tokana nitondra ny fanevam-pirenentsika tany amin’ity andiany faha 18 ity ihany koa ny tenany. Ny sokajin-danja 80kg moa no nandraisan’ity matihanina ao amin’ny klioban’I Bushido, Frantsa, ity. Ny taona 2014 dia raraka vao maraina be, izany hoe, tanatin’ny fiodinana voalohany izay natao tany Los Angeles, Etazonia, I Lova. Nihazakazaka taorian’izay ny fitomboan’ny traikefany ary nahazo ny medaly volafotsy izy ny taona 2019. Nody ventiny kosa ankehitriny ny rano natsakaina ka dia izao lasa tompon’amboara izao. Mirary an’I Lova Randrianasolo hitohy amin’ny fahombiazany hatrany isika mba ho reharehan’ity firenena ity.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT