Sport

Karting-Tompondakan’i Madagasikara Rahampitso ny dingana faha 3 eny Imerintsiatosika


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Ho tanterahana rahampitso alahady 30 septambra manomboka amin’ny 8 ora maraina eny amin’ny SRK Imerintsiatosika ny dingana fahatelo amin’ny fifaninana Karting ao anatin’ny fiadiana izay ho tompondakan ‘i Madagasikara.Zava-dehibe

 

 

 

izy ity satria dingana mialohan’ny farany, ary hety dia hety ny elanelana misy eo amin’ireo telo voalohany ka noho izany dia tena hafotaka ny fifaninanana rahampitso ,mety any anatin’ny ampahafolon-tsegondra no hampisy ny elanelana sy hamantarana izay mandresy amin’ity fifaninanana ity ary ny fahaizana sy fahakingan’ny mampily dia manana anjara toerana goavam-be.Tsara ho marihana fa Tony Rajoelison no tompondaka teo amin’ny sokajy Elite tamin’ny herintaona, Noa Pfau kosa ny teo amin’ny Espoir ary Nathan Rambinintsoa teo amin’ny Open.Fanentanana maro samihafa no hanomboka amin’ny 8 ora maraina fa amin’ny 9 ora sy sasany kosa no hanomboka ny tena fifaninanana ; tsy misy vidim-pidirana moa ny hetsika .Matetika no mivadika mamily fiarakodia manao Rallye ary tena mamiratra ireo mpifaninana amin’ny Karting.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT