Sport

Karate Wado-Ryu Hizara traikefa amin’ireo zandriny ny mpikatroka tranainy


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Tafahaona ireo mpikatroka tranainy Malagasy eo amin’ny taranja karate style Wado-Ryu toa an-dry sensei Lalajaona, dokotera Alexandre,

 

 

 

 Davidson,  Rajaonarison André, Rivo sns… izay notarihan’ny filohany, ny sensei Rabehasimanitra Jean Louis . Niombon-kevitra izy ireo ny hanao tantsoroka an’ireo mpikatroka zandriny ao amin’ity « style » ity ka hampita ny traikefa sy fahaizan’izy ireo amin’ny alalan’ny fiarahana manoman-tena hotontosaina ao amin’ny foibe MaWaDo ao amin’ny sekoly Sandy Soarano isaky ny alarobia maraina manomboka amin’ny 6 ora. Ny Tale teknika, sensei Rajaonarison Christian, no hitarika ny hetsika. Marihina fa efa nanomboka tamin’ny tapa-bolana lasa izy ity ka heverina hitohy tsy an-kiato intsony.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT