Sport

Karaté Tompondakan’Analamanga 2019 Mpikatroka 170 no nandray anjara


  • Talata 06 Aogositra 2019

Teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, ny alahady 04 aogositra tontolo andro lasa teo no nanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga eo amin’ny taranja Karate-Do.

 

 

 

 Atleta niisa 170 avy amin’ny seksion’ny karate 7 (Tanà-ville, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Anjozorobe, Ankazobe ary Manjakandriana) no nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity izay nambaran’Atoa  Razakarisoa Jhonny Orlando filohan’ity ligy ity fa natao indrindra mba hifantenana an’ireo mpikatrok’Analamanga hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izay hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena etsy Mahamasina amin’ny faran’ity herinandro ity. Nilaza ny filohan’ny federasion’ny karate am-perinasa, Andrianavomanana Solofo  Barijaona, tonga  nanatrika  an’ity fiadiana ny tompondakan’Analamanga ity fa hiavaka tokoa izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 izany. Ny Kata sy Kumité no nifaninanan’ny sokajy Cadet sy Junior ary Sénior anjara tamin’io fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga io ka nisongadinan’ny mpikatrok’Avaradrano sy Antananarivo-Renivohitra indrindra indrindra teo amin’ny fibatana fandresena tamin’ny ankapobeny. Teo amin’ny vokatry ny Kata isan-tarika vehivavy kosa dia norombahin’Avaradrano ny laharana voalohany nanoloana an’Antananarivo Renivohitra raha mbola Avaradrano ihany koa no nahery teo amin’ny Kata isan-tarika lehilahy nanoloana an’Anjozorobe.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT