Sport

Karate Nahazo filoha vaovao ny ligin’Analamanga


  • Zoma 20 Martsa 2020

Nahazo filoha vaovao hitantana azy ny ligin’Analamanga eo amin’ny taranja karate dia Atoa Rakotomalala Aji Jean Paul izany lany tamin’ny fifidianana natao, teo ambany fiahian’ny FKM

 

 

 

« Federation de Karate Malagasy » sy natrehan’ny solontenan’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina omaly. Ligy 4 (Avaradrano, Atsimondrano, Ankazobe ary Anjozorobe) no nanan-jo nandatsa-bato tamin’izany ka samy nanome fitokisana azy tsy nisy nitsipaka avokoa. Tsy nahazo nandray anjara tamin’ny fifidianana kosa ary tsy nahazo fampilazana mihitsy ny ligy hafa toa ny seksion’ny karate eto Antananarivo-Renivohitra sy Marovatana ary Manjakandriana noho ny tsy maha ara-dalàna ny taratasin’izy ireo, hoy ny FKM.  Marihana, araka ny fanazavana azo, fa ireo seksiona 7 eto Analamanga dia efa nieritreritra ny hanangana ligy ihany koa ary saika notanterahina teny amin’ny Pavé Antaninarenina tamin’io andron’ny omaly alakamisy 19 martsa 2020 io saingy izao nosongonan’ny FKM izao. Marihana fa teny amin’ny Motel Anosibe no nifamotoana nanatanteraka lanonana tsotsotra niarahabana an’ity filoha vaovaon’ny ligin’ny karate Analamanga ity ireo olona nahazo fanasana rehetra. Tamin’izany fotoana izany no naharenesana fa amin’ny faha-11 aprily 2020 ho avy izao no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’ity ligin’ny karate Analamanga  taona 2020.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT