Sport

Karate Malagasy Fantatra avokoa ireo tompondakan’i Madagasikara 2019


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Tontosa tetsy amin’ny lapan’ny tanora sy fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady 11 aogositra ireo lalao famaranana ny taranja karate Malagasy fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019.

 

Marihina fa naharitra 4 andro katroka ity fifaninanana  natokana ho an’ny sokajy Cadet, Junior ary Sénior ity. Fantatra avokoa izany izao ireo tompondakan’i Madagasikara lahy sy vavy ary isan-tarika 2019 eo amin’ny kata sy kumité amin’ity taranja ity. Nahatsara zavatra ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny Federasionina Malagasin’ny Karaté tarihako sy ny minisitera mpiahy, hoy Atoa Ranavomanana Solofo Barijaona tetsy Mahamasina omaly. Tena nahavelom-bolo ny mpikatroka rehetra izany, hoy izy, fa hahafahana mampitombo ny herijikan’ity taranja ity izay somary nandalo fotoan-tsarotra ihany taona maromaro izay. Miarahaba ny taranja karate manokana kosa aho, hoy ny minisitra Tinoka Roberto nanotrona sy nanolotra ireo amboara teny an-toerana, fa tsy mena-mitaha amin’ny fifaninanana any ivelany any izay zavatra hitako teto. Fantatra fa 5 taona izao ity taranja karate ity tsy nivoaka nifaninana tany ivelany nefa ny nandehanany iray volana izay tany Gaborone dia nahatsapana fa manana traikefa ny mpikatroka karate Malagasy ka amin’ny maha tompon’andraikitra ny tenako eo amin’ity taranja ity no hilazako fa vonona ny hifanampy amin’ny mpitantana karate Malagasy aho hamelona indray ny afom-pitiavana ny karate Malagasy efa hananan’ny rehetra.

 Teo amin’ny kata ary dia tompondaka ry Mitozo (Cadet), Tsiory (cadette), Mamy Mick (Junior), Gracia (Junior), Tsioriniaina (Individuel homme), Eliane  Lalaina (Individuel Dame), Aro (par equipe dame).

Teo amin’ny kumité kosa dia tompondaka ry Todisoa Clément (Cadets), Tsiory (Cadettes), Mamy Mick (Junior hommes), Karine (Junior Dames), Tanjona (-60 kg homme), Billy Johary (-67 kg homme), Patrick (-75kg homme), Lalaina (-84kg homme), Finaritra (+84 kg homme), Fabby (-50 kg dame), Nofisoa (-55kg dame), Helene (-61kg dame), Tiantsoa (-68kg dame), Diana (+58kg  dame), Analamanga 1 (par equipe homme), Analamanga 2 (par equipe dame).

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT