Sport

Karaté Lasa i Solofo Be , maka toerana i Vazaha ?


  • Zoma 12 Mey 2023

Tena efa milamina araky ny fanambaran'i Emile Vazaha Ratefinanahary tokoa ve ny karaté eto Madagasikara ?

Raha ny resaka mandeha eo anivon'ny Feferation de Karaté,-Do de Madagascar mantsy dia toa nahazo fankatoavan'ny Union Africaine de Karaté i Émile Ratefinanahary ary mahazo mandray anjara feno amin'ny Lalaon'ny Nosy. Dia tena izay tokoa ve sa natao fitaovana sanatria i Sherif René Ramanintradrasana izay nandalo teto an-tanana ary nampiofana nandritry ny hateloana tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena tao Mahamasina ka nahavory ireo andrarezin'ny karaté teto Madagasikara izay notarihan'i Ylias Akbaraly, filoha tale Jeneralin'ny Groupe Redland misy ny Sipromad. Iza koa moa raha tena mpiangaly ity taranja ity no tsy hamaly ny fanasana avy amin'i Hanshi René Ramanintradrasana izay manana ny Dan fahafolo Shotokan izay grady farany ambony indrindra. Tao daholo angamba afatsy ireo lohandohan'ny mpisorona avy ao amin'ny Fédération Malagasy de karaté (FMK) izay mbola miady ho lohany saingy efa tongotra mby an-dakana ny an'i Vazaha izay efa nanantateraka fifidianana tany Mahajanga ary dia nijery fotsiny ny tao amin'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena satria efa tao anatin'ireo nasaina tao amin'ny hetsika nokarakarain'i Vazaha niaraka tamin'ny Shérif Ramanintradrasana. Aza izay mbola ambadika hataon'i Solofo Andrianavomanana filohan'ny FKM fa hatreto aloha dia vaky roa ny karaté eto Madagasikara. Ary raha mijery ny olona indrindra ireo mpitarika klioba sy ligim-paritra tao Mahamasina sy tany Mahajanga dia efa tonga amin'ilay hiran'i Elidiot hoe Lasan'ny Vazaha.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT