Sport

Karate JKA Maherin’ny 600 ireo mpiofana


  • Alakamisy 06 Aogositra 2015

Mpikatroka maherin’ny 600 no manaraka ny fiofanana tarihin’ireo manampahaizana goavana roa amin’ny karate JKA (Japan Karate Association), Sawada Sensei sy Daniel Lautier sensei etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina maraina sy hariva nanomboka ny talata teo ary hifarana ny sabotsy 8 aogositra izao.

 

 Nanamarika ny fotoam-panokafana ny fanolorana mari-pahaizana ireo afa-pananadinana natao tamin’ny taon-dasa. Iray amin’ireo no nahazo ny grady 5e dan dia Rafiarenana Joseph « Dadou”, enina ireo 2e dan ary 16 ireo 1e dan. Marihina fa misokatra amin’ny grady sy sokajin-taona rehetra ny fiofanana izay hofaranana amin’ny fanadinana fisondrotana grady indray ny sabotsy izao. Hisy ihany koa ny fifidianana fanavaozana ny birao mpitantana ny Madagascar Japan Karate Association ny zoma antoandro izao.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT