Sport

Karate JKA Filohan’ny MJKA vaovao ny seinsei Rivo


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Niova ny fitantanana ny biraon’ny Madagascar Japan Karate Association (MJKA) taorian’ny fifidianana natao ny zoma teo ka lany ho filoha vaovao Rajaonarison

 

Andriamiarinarivo izay tomponandraikitra teknika teo aloha. Lasa filoham-boninahitra kosa ny filoha teo aloha Razafinimanana Jean Michel. Nisy moa ny fiofanana notarihin’ireo manampahaizana goavana roa amin’ny karate JKA (Japan Karate Association), Sawada Sensei sy Daniel Lautier sensei tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina maraina sy hariva ny 4-8 aogositra teo. Nanamarika ny fotoam-panokafana ny talata 4 aogositra tolakandro ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo afa-panadinana izay natao tamin’ny taon-dasa. Iray amin’ireo no nahazo ny grady 5e dan dia Rafiarenana Joseph « Dadou”, enina ireo nahazo ny 2e dan ary 16 ireo 1e dan. Marihina fa nisokatra ho an’ireo grady sy sokajin-taona rehetra ny fiofanana izay nofaranana amin’ny fanadinana fisondrotana grady amin’ny sabotsy izao. Nofaranana tamin’ny fanadinana fisondrotana grady ny fiofanana ny sabotsy teo ka nisy fanadinana hakana diplaona JKA dia nahitana mpandray anjara 10 ho an’ny 1e dan, 3 ny 2e dan, iray ny 3e dan. Maromaro noho izay kosa ireo nanao fanadinana ahazoana diplaoma MJKA ka 50 ireo nanao ny 1e dan, 15 ny 2e dan, valo ny 3e dan, efatra ny 4e dan, iray ny 5e dan ary telo ny 6e dan.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT