Sport

KARATE - « International Goju Ryu Academy » Hatsangana ofisialy tsy ho ela eto Madagasikara


  • Zoma 18 Septambra 2015

Mandalo eto an-tanindrazana ankehitriny ny Sensei Zafitsiory Randrianindrina na i Sensei Tsiory ho an’ny maro izay “exper” malagasy

 

amin’ny karaté Goju Ryu, efa nikatroka sy nandalina ity taranja ity nandritra ny 40 taona ary namorona ny IGRA na “International Goju Ryu Association” any Frantsa tamin’ny taona 2008 ary efa miahy ihany koa Dojos “international Goju Ryu Academy” 3 any Frantsa. Mandalo eto Madagasikara ny lehilahy ary eo an-dalam-pananganana ny “International Goju Ryu Academy à Madagascar” ka efa mikarakara fatratra ny antontan-taratasy ny amin’izany miainga amin’ireo rafitra karate misy rehetra eto Madagasikara hatramin’ny ao amin’ny federasiona ary efa manomboka mametra tsikelikely ihany koa ireo fitaovana ilaina hahamatihanina tanteraka izany etsy amin’ny ivontoerana misy ny Atema tenis club eny Andrainarivo-Antanimora. Ny famenona Tatami hampiasaina ao amin’ity toerana ity moa dia efa eny ambony sambo handalana ho aty Madagasikara hoy i Sensei Tsiory. Raha mety tsara ny tantana dia ho amin’ny volana oktobra 2015 any no tena hanokafana ofisialy an’ity Dojo Goju Ryu eto Madagasikara ity ary efa voaofana hatramin’ny taona 2000 (efa 15 taona katroka) ireo mpiara-miasa amin’i Sensei Tsiory hitantana izany hotarihan-dRandrianindrina Zafitsiferana Ceinture Noire 4e Dan sy Ramanantoanina Solotiana Ceiture Noire 3e Dan izy samy mpikambana fahiny tao amin’ny klioba Maka daholo. Nanamarika i Sensei Tsiory fa hivezivezy eto an-tanindrazana isaky ny enim-bolana ny tenany manomboka amin’ny fananganana ity Dojo vaovao eto amintsika ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT