Sport

Karate Fihezama Raikitra ny « Challenge ceinture marron »


  • Zoma 27 Jolay 2018

Raikitra ary hotontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano rahampitso sabotsy 28 sy amin’ny alahady 29 jolay 2018 ny « Challenge ceinture marron » sokajy sénior lahy sy vavy sy ny « Open Cadet/Junior » karakarain’ny sampana federaly karate-do Fihezama tarihan’ny filohany Randretsa Faly.

Tao amin’ny fanatanterahana ny antsapaka notontosaina tetsy amin’ny birao federaly tetsy Soarano/Behoririka omaly no nahafantarana fa klioba miisa 31 no handray anjara amin’ity fifaninanana roa sosona ity. Ity no fifaninana voalohany karakarain’ny karate fihezama amin’ity taona ity mba hampakarana lenta an’ireo tanora mpandimby. Amin’ny faha-18 sy 19 aogositra 2018 kosa no hanatanterahana ny « Coupe de vacances » ary ny 22 sy 23 desambra 2018 ny « Coupe Karate Senior Fihezama » samy ao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano avokoa.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT