Mahavelom-bolo ny zava-bitan’ireo tanora tamin’ny hetsika karate ny « Challenge ceinture marron » lahy sy vavy sy ny « Open Cadet/Junior » nokarakarain’ny sampana federaly karate-do Fihezama teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny sabotsy 28 sy ny alahady 29 jolay teo, hoy ny filohany Randretsa Faly.
Azo ambara, hoy izy, fa azo antoka ny hoavin’ity taranja ity atsy ho atsy tamin’ny fisian’ireo mpandimby nampiseho teknika tena avo lenta tokoa.. Mpikatroka nahatratra 146 avy amin’ny klioba 32 no tonga nandray anjara tamin’ny hetsika . Amin’ny 18 sy 19 aogositra 2018 indray mihaona ao amin’ity toerana ity amin’ny fanatanterahana ny « Coupe de vacances » karate fihezama ihany.
Ireo tompondaka :
Cadette : Tsiory (Shobukan) ; Cadet : Manankaja (Makawa Centrale)
Junior vehivavy : Sarah (Akka Avaradrano) ; Junior lehilahy : Princy (Asemblée Nationale)
Ceinture Marron vehivavy : -50kg-Evasoa (Ny Havana) ; -55kg-Voary (Akka Mahitsy) ; Vatosoa (Makawa Centrale) ; -68kg-Alicia (Makawa Cendtrale) Ceinture Marron lehilahy : -60kg-Haja (Team Ambohimanarina) ; -67kg-Cedria (Sporting) ; -75kg-Sedera (Akkawa Mahitsy) ; -84kg-Zo (Tiger’s) ; +84kg-Haja (Makawa Centrale)
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.