Sport

Karate-Do Tonga eto Madagasikara omaly ny delagasiona Tiorka


  • Alarobia 22 Mey 2019

Nigadona teto Madagasikara omaly talata 21 mey 2019 ny delegasion’ny taranja karate avy any Tiorka tarihan’ny filohan’ny “Fédération Turque de karaté,

 

 

 

Esat Delihasan” miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny “Commission technique de la fédération mondiale de karaté, le Turc, Levent Aydemir” sy ny filohan’ny “Conseil des arbitres, Ahmed San ». Nitarika ny fitsenana azy teny Ivato omaly ny DGS “Tale Jeneralin’ny Spaoro Malagasy”, Rosa Rakotozafy niaraka tamin’ny filohan’ny FKM “Fédération de karaté de Madagascar”, Solofo Barijaona Andrianavomanana  ary ny  ambasadaoron’i Tiorka  eto Madagasikara, Metin Husrev Unler sy ny mpiara-miasa akaiky aminy izay angady nananana sy vy nahitana ny hanatanterahana fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Federasion’ny karate amin’ny tany roa tonta. Aorian’ny dinika teknika hotanterahina anio maraina etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina dia hitarika fanofanana teknika  mpanao karate sy  mpitsara karate malagasy maro manerana ny nosy  ny tolakandro ireto delegasiona Tiorka ireto.   Tena eo amin’ny fotoana ilana azy tanteraka ny fahatongavan’izy ireto, hoy ny filohan’ny Fkm, Solofo Barijaona, amin’izao ankatoky ny  handehanan’ny karateka Malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2019 amin’ny karate ho tontosaina any Gaborone Botswana ny 12-14 jolay 2019 izao izay dingana iray mety hahazoana miatrika ny Lalao Olympika any Tokyo amin’ny taona 2020. 

Ntsoavina Evariste                    

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT