Sport

Karate Analamanga Nanjakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Nanjakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra izay nahazo medaly volamena 10 tamin’ny ankapobeny ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’Antananarivo Renivohitra, notontosaina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny alahady 14 oktobra teo,

 

 natao hahafantarana an’ireo mpikatroka hisolotena ity ligy ity amin’ny fifaninanam-pirenena taona 2018 hatao tsy ho ela.  Nambaran’ny filohan’ny ligy, Razakarisoa Jhonny, teny an-toerana fa mahavelombolo ny haavo teknikan’ireo mpikatroka eto Analamanga ankehitriny. Nokajiana, hoy izy, ny fampiharana dieny izao ny lalana olimpika izay hidiran’ity taranja ity amin’ny taona 2020.

Ireo tompondaka 2018 :

Gracia (Antananarivo Renivohitra), Motozo (Antananarivo Renivohitra, Junko (Avaradrano) , Mamy (Antananarivo Renivohitra), Kanto (Antananarivo Renivohitra), Andofitahina (Antananarivo Renivohitra) , Tsihory (Antananarivo Renivohitra), Jarry (Manjakandriana), Mamy (Antananarivo Renivohitra), Victoria (Marovatana), Fabby (Anjozorobe),  Raitra (Anjozorobe),  Manuela (Antananarivo Renivohitra), Patty (Avaradrano),  Diana (Manjakandriana), Tanjona (Avaradrano), Billy (Tanà Ville), Njaka (Anjozorobe), Dina (Anjozorobe)    

Isan-tarika : Vehivavy ( Antananarivo Renivohitra)

Isan-tarika Kumite :  Lehilahy (Anjozorobe)   ; Vehivavy-(Anjozorobe)

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT