Tao anatina lalao maromaro izay dia ny avokavoky ny AJ Auxerre, divizionina faharoa ao Frantsa,
Rayan Raveloson, hatrany no nitondra ny marika maha kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara. Tena mpitarika ny lehilahy ao amin’ny efitra fisoloana akanjo sy fiomanana na “vestiaire” ao, hoy ny mpanazatra ny Barea, Romuald Rakotondrabe na Rôrô. Tsy fidifidiana fahatany io kapiteny io, hoy izy. Tsy miala miandry toromarika avy amiko izy fa mahay mandray ny andraikiny avy hatrany raha sendra tojo fahasahiranana ny ekipa. Mankasitraka azy rahateo ny ekipa rehetra. Isan’ny nahatarafana izany fandraisan’andraikitr’i Rayan izany ny zava-nisy tany Maraoka raha tojo faharesena nanoloana an’i Mauritanie izahay tamin’ny oktobra. Rehefa miditra ny “vestiaire” ny ekipa dia eo anivony eo manao lahateny manome hery ireo namany i Rayan. Ankoatra an’i Rayan dia isan’ny manampy amin’ny fanomezan-danja ireo zandry taty aoriana koa ireo zokibeny toa an-dry Melvin Andrien, Romain Metanire, Njiva Rakotoharimalala, Thomas Fontaine, hoy hatrany i Rôrô. Ofisialy, araka izany, fa dia i Rayan Raveloson no handimby tanteraka an’i Ibrahim Amada ho kapitenin’ny Barea.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.