Sport

Kaomisiona Maharitry ny CAF Ahitana olona 5 avy aty Madagasikara ao anatiny


  • Alakamisy 26 Oktobra 2017

Nivoaka ankehitriny ny anaran’ireo kaomisiona maharitry ny CAF mandritra ny taom-piasana 2017-2019. Ahitana mpikambana 20 ao anatiny dia Atoa Ahamad (Madagasikara) no filohany. Ghaneana sy Congoley ary Marokanina no filoha lefitra 3 ary Egypsiana no Sekretera Jeneraly “par interim”.

 

 Mbola filohan’ny “Comité d’urgence” izay ahitana mpikambana 7 koa Atoa Ahamad.  Filohan’ny “Commission des finances” kosa Atoa Fouzi Lekjaoo (Maroc) misy mpikambana 5 ary ahitana mpikambana iray avy aty Madagasikara ao anatiny dia Atoa Patrick Pisal Hamida. Filohan’ny “Commission d’organisation de la coupe d’Afrique des nations » ahitana mpikambana 28 Atoa Amaju Melvin Pinnick (Nigéria). Filohan’ny « Commission d’organisation du championnat d’Afrique des nations » ahitana olona 26 Atoa Hassan Musa Bility (Liberia) ary tafiditra ho mpikambana ao anatiny Atoa Andriamiasasoa Doda (Madagascar). Filohan’ny « Commission d’organisation des compétitions inter-Clubs et de la gestion du système de l’octroi des licences de Clubs » Atoa Tarek Bouchamaoui (Tunisie), misy olona 17 ao anatiny. Filohan’ny « Commission d’organisation des coupe d’Afrique des nations jeunes U 17, U 20 ary U 23 » Atoa Alexander Danny Jordaan (Afrique du Sud), ahitana mpikambana 30 ao anatiny ary anisan’izany Rakotoarimino Theodore (Madagascar). Ny mpikambana ao amin’ny « Commission d’organisation du football féminin » ahitana olona 15 Atoa Isha Johansen (Sierra Leone) mpikambana ao Rajeriarison Patricia (Madagascar). Ny filohan’ny « Commission du développement de futsal et Beach Soccer ahitana olona 18 dia Atoa Moses Magogo (Ouganda) mpikambana ao i Mahaforona Cyril (Madagascar). Filohan’ny « Commission des arbitre » Atoa Suleiman Hassan Waberi (Djibouti), misy olona 9 ao anatiny. Filohan’ny « Commission technique et de développement » Atoa Kalusha Bwalya (Zambie), ahitana olona 17 ao. Filohan’ny « Commission des affaires juridiques et des Associations nationales Atoa Ahmed Yahya (Mauritanie). Filohan’ny « Commission médicale » Atoa Adoum Djibrine (Tchad) misy olona 11 ao anatiny.

Ntsoavina Evariste

Ireo mpikambana ao amin’ny kaomisiona maharitry ny CAF

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT