Sport

Kaominina Talatamaty Baolina kitra no nisantar ana ny fankalazana ny fetim-pirenena


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona ny kaominina Talatamaty.

Ny sabotsy 14 mey lasa teo no nisantarana izany izay nosokafana tamin’ny alalan’ny lalao baolina kitra teo amin’ny kianja fanaovam-baolina Maibahoaka. Raha ekipa iray isam-pokontany no nandray anjara tamin’izany teo aloha dia tsy noferana intsony izany tamin’ity taona ity, ahitana ny sokajy vehivavy, ny lehilahy efa lehibe ary ny antonony, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Tafakatra 76 isa ireo ekipa manerana ireo Fokontany 12 ka amin’ny 19 jona ho avy izao no hifarana ny lalao. Ankoatra ity lalao baolina kitra ity moa dia hisy ny foaram-bokatra lehibe hotanterahina eny an-toerana entina hanehoana ny vokatry ny tantsaha. Ny 16,17 ary 18 Jona no hanatanterahana izany. Arahin’ny fanaovana didim-paotra maimaimpoana hanampiana ireo Ray aman-dReny manan-janaka lahy izany raha tsy adino ihany koa ny fizarana fanampiana ho an’ireo zokiolona sy fianakaviana sahirana ao anatin’ny kaominina. Hisy kosa ny filaharambe hamakivaky ny tanana amin’ny 25 Jona ho avy izao hanehoan’ireo mpianatra, fikambanana ary orinasa maro isan-tsokajiny ny fahaiza-manaony.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT