Sport

Kaominina Ankadikely Ilafy Hisy écran géant hijerena Barea anio alina


  • Talata 31 Janoary 2023

Ho fanohanana sy ho fiaraha-mientana amin'ny ekipam-pirenena Barea_Madagasikara dia fantatra fa hisy ny "écran géant"

hahafahan’ny mponina manaraka ny lalao manasa-dalana hihaona amin'ny ekipam-pirenen'i "Sénégal" ao amin’ny tokontany malalaky ny Kaominina Ankadikely-Ilafy. Anio talata 31 janoary manomboka amin’ny 10 ora ilay lalao raha hanomboka adin’ny iray mialoha kosa izany na adin’ny roa hanomezana hafaliana ny mponina. Tsiahivina moa fa efa saika mino ny fandresen’ny ekipam-pirenena Barea avokoa ny rehetra manoloana io ady hatrehiny anio alina io. Tsy vitsy araka izany ireo efa mitrotro am-bavaka sahady io fihaonana io mba hisian’ny fandresena marina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT