Kanto Fitiavana Voahariniaina na Bolo

Mpilalao kinga sady manana vovok'aina saingy…


  • Alatsinainy 26 Mey 2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

na antsoina amin'ny anarana feno hoe Kanto Fitiavana Voahariniaina ny 18 may lasa teo. Milalao ao amin’ny FC Hertha 03 Zehlendorf, ao Alemanina moa ny lehilahy amin’izao faha 27 taonany izao. Mitohy hatrany, araka izany, ny fahazoany fotoana ilalaovana. Efa nahavita lalao mihoatran’ny 153 isa ary nahafaty baolina miisa 45 tany Alemanina ity mpilalao malagasy ity. Irakiraka mpanafika ao ankavanan’ny kianja na «Attaquant - Ailier droit» moa no toerana misy ny lehilahy eny ambony kianja. Hita ho kinga sady manana vovok'aina izy saingy azo lazaina hoe tsy nisy nahatazana tany ambany ravinkazo tany ka dia izao mbola tsy tafavoaka amin’ny divizionina faha 4 alemanina izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT