Sport

Kanetibe Nandravarava indray ny BIC


  • Talata 20 Jona 2023

Nanjakan'ny Bouliste Club Ialatsara (BIC) Ambohimahasoa indray ny fiadiana ny ho tompodakan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo teny Ivato.

Samy Ambihimahasoa mantsy no nanao ny famaranana na teo amin'ny vehivavy na ny lehilahy. Teo amin'ny vehivavy dia Judicaël sy Hasina no nsnilika an'i Odile sy Vony tamin'ny isa 13 noho 9. I Cael sy Hasina izany no hisolon-tena antsika any amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Bangkok. Teo amin'ny lehilahy indray dia ry Jacquis Vazaha sy Bary ary Faratiana no nandresy an'i Rams, Iaro ary Jean Jacques tamin'ny isa 13 noho 7 Teo amin'ny juniors indray dia nivoaka sempotra ny C2BA vao nandresy an'i Betafo nahitana an'i Charles, Emmanuel ary Hery tamin'ny isa 13 noho 12 Tafita sy Fanomezantsoa ary Andriatahina izany no handeha any Thaïlande. Teo amin'ny zokiolona indray dua ny Ny BCI no nandrombaka ny anaram-boninahitra nanoloana ny Fanalamanga.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT