Kanetibe

Mbola voasazy ny Malagasy


  • Zoma 03 Novambra 2023

Toy ny vara-datsaka ny nandrenesan'ny tontolon'ny kanetibe fa tsy mahazo

mandray anjara indray any Thaïlande ny ekipa vehivavy sy ny juniors. Tsy misy fanazavana fa dia nivoaka ny didy tsy azo hivalozana avy amin'i Claude Azéma dia tsy miafina ny tsy fitiavany ny mpitondra malagasy manomboka eo amin'ireo mpikambana ao amin'ny federasiona ka hatrany amin'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena fa indrindra moa ny Tale Jeneralin'ny Fanatanjahantena, Rosa Rakotozafy. Efa tany Espanina no niseho ny disadisa satria tsy voaloha ny 10000 euros saran'ny fiatranoana an'ny delegasiona mafonja nahitana ny minisitra Hawel Mamod'Ali sy ny DGS Rosa Rakotozafy. Voaloa ihany ny vola rehefa nandoa ny anjarany ny Star saingy efa tao anaton'ny paoma ny onitra. Ary dia niverina indray ny tsy fankatoavan'ny federasiona iraisam-pirenena an'i Madagasikara fony mbola ny FMP an'i Béryl Razafindrainony no nitantana fa tsy ny FSBM an'i Amir Andriamilerovason. Niitatra izany ka nanjary nahazo tsiny hatramin'ny fitantanan'ny FSBM. Napiasan'i Claude Azéma daholo ny fomba hijanon'ny sazy ka nanereny ny federasiona hamerina ireo mpikambana mpanorina ny FSBM niaraka tamin'i Dolys Randriamarohaja. Fanerena izay tsy nety tanteraka hatramin'izao ary izany no isan'ny tsy mahafaka ny sazy. Dia hatreo aloha izany ny mikasika ny kanetibe malagasy.Soa ihany aza fa tsy tafiditra ho isan'ny taranja any amin'ny Lalao Olimpika any Los Angeles fa raha izay dia ho goavana ny fahavoazana satria ity taranja ity no mety hotondra medaly olaimpika voalohany ho an'i Madagasikara.Ary iza no mahita raha ny antsojay ataon'i Claude Azéma sy ireo namany no isan'ny sakana.
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT