Sport

Kandida Neypatraiky Nisintona tsy hofidiana intsony


  • Alatsinainy 05 Novambra 2018

Anisan’ireo kandida nanatri-maso ny zava-nisy tany Sambava Atoa Neypatraiky Rakotomamonjy izay nanambara fa tena nampalahelo ny zava-nisy tamin’iny sabotsy 3 novambra iny fa betsaka ny zavatra nifamahofaho. Anisan’izany,

 

 hoy izy, ny nisamborana taty Antananarivo tamin’io sabotsy hanatanterahana ny fifidianana FMF io noho ny antony tsy fantatra ny filohan’ny ligin’ny baolina kitran’Analamanga, Atoa Tôta, izay  anisan’ireo filoha mahefa koa amin’izany fifidianana izany. Malahelo aho ny milaza etoana sy amin’ireo ligy nanapa-kevitra ny hanohana ahy, hoy ity kandida ity,  fa hisintona tsy hofidiana ho filohan’ny FMF indray aho anio sabotsy. Vao hanomboka ve ny fitantanana vaovao, hoy izy, dia efa ady  sy fifandirana sahady no mitranga na dia efa mba nambarako aza fa hifanampiana amin’izay ho lany ny fitantanana ny kitra Malagasy. Tsy mifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy ny zava-misy ka aiza amin’izany ny hampiroboroboana an’ity kitra Malagasy ity ?

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT