Sport

Kandidà ho filohan` ny CAF Amin`ny 12 janoary no mivoaka ny lisitra


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Vonona hiatrika ny fandinihana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho

 

 

 

filohan`ny Kaonfederasionina Afrikanina (CAF) amin` ny taranja baolina kitra, i Augustin Senghor, filohan` ny federasionina baolina kitra any Senegal. “Mahatoky tena tsara aho” hoy izy raha nanontaniana ny fankatoavana ny kandidatiorany. Marihana fa amin`ny 12 janoary izao no hivoaka ny lisitr`ireo kandidà hifaninana amin` ny fifidianana izay ho filohan` ny Kaonfederasionina Afrikanina (CAF). Ankoatra azy, dia miisa efatra ireo efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin`io toerana io. Ahmad Yahya, filohan`ny Federasionina mauritanianina, Mamelodi Sundowns, Patrice Motsepe ary Jacques Anouma, filoha teo aloha nitarika ny federasionina ivoarianina. Andrasana na ho anisan`ireo na tsia ny Filoha am-perinasa Ahmad, izay nosazain` ny federasionina iraisam-pirenena. Izy izay efa nanao fampakarana ny raharaha fanodikodinam-bola sy fanaparam-pahefana nitoriana azy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT