Sport

Kandidà Gasy N°3 Nanolotra « Tournoi Pétanque » ho an’ny tanoran’Andoharanofotsy


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Nanolotra « Tournoi Pétanque » ho an’ny tanora tao Andoharanofotsy, ny kandida Ranary Lala na Gasy N°3 ao anaty bileta tokana.

 

 

Ny sabotsy lasa teo no nanokafan’ity kandida ity, ny lalao tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny kianja Antsena Be (Lava). Nambaran’ny kandida Gasy fa vonona ny hitondra ny taranja rehetra na basket na foot na baolina lavalava na tsipy kanetibe, ho ambonimbony kokoa ny kandida Gasy, rehefa tonga eo amin’ny toeran’ny ben’ny tanàna, hoy izy ary resy lahatra izy fa hahazo tombony ireo tanora ireo. Nisy ny loka nozaraina ka ny voalohany nahazo lelavola 150.000 ariary, ny faharoa 70.000 ariary ary ny fahatelo 35.000 ariary niampy T. shirt sy kasikety an’ny antoko Tia Tanindrazana. Farany, nambaran’ny kandidà Gasy fa hijoro handray ny andraikitra ary vonona ny hitondra ny fampandrosoana an’ny kaominina Andoharanofotsy izy.

 

Sitraka r.        

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT