Sport

Judo Tour Atsinanana no handray ny andiany fahatelo


  • Talata 24 Novambra 2020

Ny ligin` ny Atsinanana no handray ny fifaninanana andiany fahatelo amin`ny “Judo Tour”

 

 


karakarain`ny klioba Afrika amin`ny taranja Judo. Misokatra ho an`ny ligy rehetra manerana ny nosy ity hetsika ity ary natokana ho an` ny ankizy latsaky ny 15 taona. Ny 26 hatramin` ny 30 novambra izao ny hanatanterahana ity hetsika iray ity izay hanamarihana ity taom-pikatrohana 2020 ity no sady tsy hahataona fotsy izany.  Voaantso handrafitra ny ekipa nasionaly amin` ny taranja Judo ireo atleta miisa telo avy amin'ny ligin` Atsinanana. Hiatrika ny fampivondronana miaraka (stage bloqué) ao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina izy ireo mialohan'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika amin'ity taranja ity, izay hotanterahina ao Antananarivo ny 17 hatramin'ny 20 desambra izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT