Sport

Judo - Toulouse Nahazo diplaoman’ny mpampianatra Ratsimiziva Fetra


  • Talata 02 Jona 2015

Nody ventiny ny rano nantsakaina. Nahavita ny fiofanany rehefa nila ravinahitra sy nifofotra niofana an-taona vitsy tany Toulouse Frantsa Ratsimiziva Fetra, mpiangaly ny taranja judo.

 Naharitra valo herinandro tao anatin’ny roa taona ny fiofanana. Ny 23 mey teo no nanaovana ny fanadinana izay nivaly ny zoma teo. Tsiahivina fa i Fetra dia an-taonany maro nisesy no nisalotra ny anaramboninahitra tompondakan’i Madagasikara sokajy -81kg, mpiravaka volamenan’ny lalaon’ny Nosy ary anisan’ireo solontena malagasy niatrika ny Lalao olimpikan’i Londres 2012. Ny tovolahy rahateo no nahazo ny tapakila voalohany niatrika io fifaninanana goavana manerantany io ary nitondra ny sainam-pirenena malagasy nandritra ny lanonam-panokafana. Taorian’ny fiofanany dia nahazo ny diplaona ofisialy ahafahana mampianatra ny taranja judo (Certificat de Qualification Proféssionel) ny tovolahy. Nanohana sy nitarika azy nandritra ny fiofanana ilay frantsay Hervé Marre. Mbola hanohy ny fiofanany any an-toerana moa i Fetra satria mbola misy taranja hafa hikatsahany diplaoma.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT