Sport

Judo – Tompondakan’i Madagasikara toutes catégories Nisongadina ny fampiharana an’ireo lalàna vaovao


  • Talata 03 Aprily 2018

Atleta niisa 368 avy amin’ny klioba 25 anatin’ny ligy 8 eto amin’ny nosy no niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka “toutes categories” ny taranja judo nandritra ny hateloana ka nifarana ny sabotsy 31 martsa teo tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano eto Antananarivo.

 

Nambaran’ny DTN ny FMJ Malagasy, Rakotomalala Jean Jacques tamin’io andro io fa ankoatra ny fahafantarana an’ireo tompondaka nasionaly ankehitriny eo amin’ity taranja ity dia natao hitiliana an’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy hiatrika ny ho tompondakan’i Afrika sokajy “jeune” (15,16,17 taona) hotontosaina any Algerie amin’ity taona ity ihany koa ny hetsika ary hifantenanana ihany koa ireo hiatrika ny Lalao Olimpika “Jeune” ihany koa handraisantsika Malagasy anjara. Efa manomana dieny izao ny Lalaon’ny nosy 2019 ihany koa isika Malagasy. Nisondina kosa, hoy izy, ny fampiharana an’ireo lalàna vaovao eo amin’ity taranja ity ankehitriny toy ny “double hensekumake”, ny fiverenana 0 ny Global score, ny fandresena Garde unilateral, ny sortie tatami” ... Tokony ho fantatry ny mpilalao, ny mpanazatra, ny mpitsara  sy ireo raiamandreny ny amin’izany mba tsy hampifanditra indray any aoriana, hoy ity DTN ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT