Sport

Judo - Tompondakan'ny Madagasikara Lasan'i Luc rain'i Laura Rasoanavo ny amboara


  • Talata 18 Aprily 2023

Hifandovana angamba ny fandrobahana ny anarana maha tompondaka eo amin'ny fianakaviana Rasoanaivo Razafy ity.

Raha notontosaina ny faran'ny herinandro teo ny fiadiana izay ho tompondaka 2023 eo amin'ny taraja judo dia indroa niakatra lapihazo ity fianakaviana hafa kely ity. Raha efa nampoizina fa tsy hamelan'i Laura ny anarana maha tompondaka eo amin'ny latsaky ny 70 kilao nahatonga azy ho laharana voalohany eran-tany dia tsy namelan'i Luc rainy kosa raha tsy azony ny toerana voalohany teo amin'ny zokiolona latsaky ny 81 kilao raha nandresy ny namany Manitra Razafimanantsoa (HSK). Nanamarika iny fifaninanana iny koa ny fandresen'i Mamy Dongoza Rasolondraibe (HAK) teo amin'ny latsaky 60 kilao sokajy zokiolona ihany. Eo amin'izay adin'ny samy lehibe izay dia ireto misy vokatra vitsivitsy. - 66 kg : Ralevazaha Emilien (FSA) nandresy an'i Rakotomalala Solofo (ASM) - 90 kg : Randriamasinoro Mamy ( ASM) nandresy Hery Sitraka Radoniaina ( CHE) Seniors Vehivavy -70 kg : Laura Rasoanavo nandresy an'i Isilo Aïcha Deborah ( HAK) Lehilahy - 66 kg : Ramanantsoa Tommi (ESCA) nandresy an'i Ramahefarison Rina ( ASM) +109 kg : Lovasoa André ( CCS Toliara) nandresy an'i Rajemisa Tpjo ( ASM) -90 kg: Karamaly Sergio ( CCS Toliara) nandresy an'i Razakandrandria Roberto ( ESCA).
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT