Nanamafy ny fahazoan-dRatiarison Asaramanitra ny tapakila hiatrehany ny Lalao olimpikan’i Rio 2016 ny nahazoany medaly alimo tamin’ny andiany fah-36 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao ny faran’ny herinandro teo tany Libreville Gabon
. Ilay gineana Lima Taciana no tompondaka tamin’ny sokajy -48kg io ary ilay kameroney Bata Phiomene kosa no nahazo ny medaly volafotsy. Lah-7 kosa i Valerie Andriatiana Brenda tamin’ny sokajy -57kg vehivavy ary lah-9 Ratsimiziva Fetra tamin’ny sokajy -81kg lehilahy. Tany amin’ny lah-12 tamin’ireo firenena 25 niatrika io fifaninanana kaontinantaly io no nisy an’i Madagasikara. Araka ny filaharana aty Afrika nivoaka ny 26 aprily teo dia lah-1 Asaramanitra amin’ny sokajy misy azy manana isa 122 ary fah-2 ilay kameroney Bata Phil manana isa 120. Niakatra lapihazo hatrany izany i Asara tao anatin’ny telo taona izao, nisalotra medaly alimo dia tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika 2013 sy 2014 ary 2015 niampy ny Africa Open 2014 tany Maorisy.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.