Sport

Judo – Tompondakan’i Afrika Mpikatroka efatra hiady any Gabon


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara dia hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ireo mpikatroka Malagasy. Mpikatroka Malagasy efatra no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika izay hatao any Libreville Gabon ny zoma 24 hatramin’ny 26 aprily izao

 



. Ny tokana amin’ireo ihany no niainga teto an-tanindrazana ny alatsinainy teo ary mbola nandalo tany Durban Afrika atsimo dia i Andriantiana Valerie Brenda izay tompondakan’i Madagasikara lefitra tamin’ny sokajy -57kg farany teo. Niainga avy atsy amin’ny nosy la Reunion omaly kosa Ratiarison Asaramanitra izay mifaninana ao amin’ny sokajy -48kg. Mpikatroka mpila ravinahitra roa kosa ny avy any Frantsa dia Ratsimiziva Fetra ilay solontena malagasy tany amin’ny Lalao olimpikan’i Londres 2012 tamin’ny sokajy -81kg sy Chan Li Janeiro ao amin’ny sokajy -60kg. Ity farany moa dia nianto-tena manokana tamin’ny nahimpony.

Rasanda Serge

Ratiarison Asaramanitra sy Ratsimiziva Fetra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT