Judo- Tompondaka eran-tany Juniors

Lasa ihany i Laura Rasoanaivo


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Rehefa mitavozavoza fiasa ny minsitry ny Tanora vaovao, Marson Moustapha,

dia noraisin'i Siteny an-tanana ny fandehan'i Laura Rasoanaivo any Tadjikistan handray anjara amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eo amin'ny sokajy juniors. Raha miandry ny volan'ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) hivoaka afaka telo volana mantsy dia tsy hisy raharaha vanona eo. Izao noho ny fanohanan'i Siteny Randrianasoloniaiko izay nampiasa ny laha filoha lefitra ny federasiona iraisam-pirenena azy dia io lasa io i Laura Ary tsy lasa fe lasa fa mbola nomena azy daholo ny karatra mahazo ka natao resaka Saint Michel daholo no mandrafitra ny delegasiona. I Jean Jacques Rakotomalala mantsy bo hitarika ity delegasiona ho any Dusganbe ity ary Arsène Randrianitovina no mpanazatra. Raha tsiahivina ny tantara dia i Jean Jacques sy Arsene ireto no nandrafitra ny ekipa mafy be ny Saint Michel tamin'ny fotoana raha niaraka tamin'i Antsa Ranjatoson sy ny zokiny. Tena mafy ireo ary enga anie mba hainy ny mampita izany ho an'i Laura Rasoanaivo izay eo amin'ny laharana faha efatra eran-tany ao amin'io sokajy latsaky ny 70 kilao io. Misy 38 moa ireo mpifanandrina amin'ity indray mitoraka ity.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT