Sport

Judo - Tompondaka eran-tany Any Qatar i Laura sy Haingo


  • Alarobia 10 Mey 2023

Lasa izao Izay no azo hilazana ireo mpanao judo roa handray anjara amin'ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hotontosaina any Qatar.

Notoloran'ny filohan'ny Konfederasiona Afrikanina ny Judo, Siteny Randrianasoloniako tapakila ho any Qatar izy ireo miaraka amin'iny filohan'ny Federasiona Malagasy. Said Bruno Eric sy ny mpanazatra Mamy Randriamasinoro. Marihina fa i Laura Rasoanavo Razafy dia hiditra an-tsehatra eo ny latsaky ny 70 kg ny faha 11 mey izao. Ilay avy any Bosnia, Akeksandra Samardzic no hihaona aminy amin'ity fidirana voalohany ity. I Haingo Ramiandrisoa kosa izay misehatra ao amin'ny sokajin-danja 78 kg hihaona, ny 13 may mitsidika io, amin'ilay Koreana Park Saetbyeol. Hatreto aloha dia voalazan'izy mirahavavy ho nizotra tsara ny fanomanana na dia nisy voadona kely aza ny lohalik'i Laura. Tsy nampiontsona aza izany ary hita soritra ny fahavononony. Tsapany rahateo ny fanohanan'ny rehetra hatrany amin'ny filoha Rajoelina aza, ka dia mivonona hiady mafy izy.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT