Sport

Judo ,- Sokajy Juniors Laharana voalohany eran-tany i Laura Rasoanaivo


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Lasa nitana ny laharana voalohany eran-tany i Laura Rasoanavo Razafy taorianan'iny ny fifaninana tao Luanda,

Angola, ka nahazoany fandresena teo amin'iny sokajin-danja latsaky ny 70 kilao teo amin'ny Juniors sy ny Séniors izay tena mikaonty amin'ny fandrafetana ny laharana. Faly be aho ary mirehareha koa tonga amin'izao toerana izao, hoy i Laura Rasoanavo taorianan'ny nivoahan'iny vaovao lehibe iny. Mendrika hotsenaina amin'ny fomba manetriketrika ity tovovavy kely tena nitondra avo ny voninahitr'i Madagasikara. Raha ampahaefadalana no vitan'ny Barea CAN sy manasa-dalana kosa ny Barea CHAN ka nanaovana fety makotrokotroka dia tokony tsy latsa-danja amin'izay no hatao an'i Laura Rasoanaivo Razafy. Mandram-piandry izany anefa dia indro omena anao ireo juniors folo voalohany eran-tany. 1) Rasoanaivo Razafy Laura ( Madagasikara isa 500) 2) Bock Samira ( Alemaina isa 466) 3) Zarybnicka Julie ( Tchekoslovakia isa 426) 4) Olaya Brebda ( Kolombia isa 400) 5) Yang Jimin (Korea isa 399) 6) Kowalewska Akeksandra ( Pologne isa 249) 7) Pileckaite Ugno ( Lituanie isa 212). Egableyanova Shekli a ( Ouzbekistan isa 194) 9) Indua Iglesias Noeliz ( Edozgne isa 194) 10) Dengay Elena ( Autriche isa 181) .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT