Sport

Judo - Open de Tunis Nahazo medaly volamena i Laura Rasoanaivo


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Niakatra avo indray ny saina malagasy tany amin'ny Open tao an-drenivohitr'i Tonisia ny zoma teo. Lasan'i Laura Rasoanaivo tokoa mantsy ny medaly volamena teo amin'ny sokajy junior latsaky ny 70 kg.

Resiny tamin'ny famaranana ilay Lituanienne Pileckaite Ugne izay laharana fahaenina eran-tany. Ny hazo no vanon-ko lakana hono dia ny tany naniriany no tsara. Zanak'i Luc Rasoanaivo Razafy sy Edith mantsy i Laura. Samy efa tompondakan'ny Madagasikara izy mivady ireto ka tsy mahagaga raha nanaraka ny diany ny zanany. I Luc rainy aza dia efa lasa lavitra sady mbola vao nisalotra ny anaram -boninahitra maha tompondaka azy teo amin'ny sokajy zokiny. Efa niofana nandritry ny fotoana maro tany Marseille izy talohan'ny nandraisany anjara tamin'ny Lalao Olympika tany Barcelone ny taona 1992. I Edith reniny kosa dia efa nandray anjara tamin'ny fiadiana ny tompo-dakan'ny oniversite tany Brême Alemaina. Fa raha iverenana ny momba an'i Laura dia efa imbetsaka koa izy no tompon-dakan'i Madagasikara. Ary tsy hijanona eo fa tena mety lasa ambony izy amin'ity judo ity indrindra fa atokisan'ny filoha afrikanina Siteny Randrianasoloniaiko sy ny filoha am-perinasa Saïd Bruno Eric.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT