Judo- Laura Rasoanaivo

Hanaraka ny dian'ny dadany


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Mbola nahazo medaly volafotsy indray i Laura Rasoanaivo tany Le Caire nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny judo.

Resin'ilay Maraokana Sophie Belatter teo amin'ny ampahaefa-dalana izy saingy tsy nanaiky raha tsy nandrombaka ny medaly alimo rehefa nandeha sisiny. Tsara noho izany ny vokatra satria mahatonga ny isa azony ho 1417.Izany tsara toerana hitondra azy any amin'ny Lalao Olimpika any Paris raha mitohy kely. Mbola misy ilay Grand Slam any Dushambe any Tadjikistan ary koa ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Abou Dhabi mantsy mialohan'ny Lalao Olimpika ary mbola mety hitombo io isa azon'i Laura Rasoanaivo. Fa na inona miseho na inona dia azo lazaina sahady fa manaraka ny dian'ny dadany, Luc Rasoanaivo Razafy ity zanany ity. Ity dadany ity mantsy dia nahazo fanasana manokana tany amin'ny Lalao Olimpika tany Barcelone ary dia izao arahan'ny zanany izao indray. Raha sanatria, aleo sanatriavina, fa tsy mitombo intsony mantsy ny isa azon'i Laura dia tsy hiadian-kevitra ny ahazoany fanasana manokana (wild card) toa an-drainy.Efa tompondakan'i Afrika rahateo izy ny taona 2023 ary miampy ireo fandresena maromaro ka azo heverina tsara ny ahazoany io fanasana io.Mbola miampy izany koa ny maha Filohan'ny judo eto Afrika an'i Siteny Randrianasoloniako ka tsy ho sarotra aminy ny manendry an'i Laura Rasoanaivo.Mbola mety hiampy aza raha ny tokony ho izy toy ny nandehan'i Asaramanitra Ratiarison tany amin'ny Lalao Olimpika tany Rio. Misy an'io Wild card io foana mantsy raha tena tsy afaka ilay firenena saingy amin'ity atao any Paris ity dia efa tongotra iray sisa tsy ahatafita an'i Laura Rasoanaivo avy eny ambony tatami.Mafy izy ary hatreto aloha dia mbola izy no nahavita dingana tsara indrindra raha mitahy amin'ireo zokiny. Ankoatra an'i Asaramanitra mantsy dia efa nahazo wild card koa i Naina Cécilia Maréchal nandritra ny Lalao Olimpika tany Sydney Australie.Ny tombony ho an'i Laura dia nihanoka hatramin'ny fahakeliny tao anaty judo izy.Ankoatra ny rainy izay efa tompondakan'i Madagasikara na izao antitra izao aza dia mpiangaly judo avo lenta koa ny reniny, Edith, ary efa nisolontena ny Oniversite malagasy nandritra ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany tany Munster any Alemaina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT