Sport

Judo – FMJ Ho avy ireo fiofanana sy fifaninanana iraisam-pirenena


  • Zoma 12 Martsa 2010

Nivory omaly ary namoaka fandaharam-potoana goavana hanamarika ity taom-pilalaovana 2010 ity ny federasiona malagasin’ny judo.

Hisantatra izany ny fiofanana ho an’ireo mpampianatra klioba (maître de salle) manana tepana mainty 1e dan, izay hatao ny 20 ka hatramin’ny 30 martsa izao ka hitarika izay ilay manampahaizana alzeriana mizaka ny zom-pirenena frantsay Hassen Ikhlef. Miara-miasa amin’ny fikarakarana io fiofanana io moa ny federasiona Malagasy miaraka amin’ny federasiona olimpika ary ny komity olimpika izay mamatsy vola amin’ny alalan’ny solidarité olympique. Maraina sy hariva io fiofanana io ka tanjona ny fanarenana ny lesoka ara-teknika ary ny fampitoviana ny haavo teknikan’ny judo eto Madagasikara.

Ankoatra ny fiofanana dia hiara-hikarakara fifaninanana iraisam-pirenena ny federasiona sy ny klioban’ny St Michel ny 7-8 aogositra izao tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ity klioban’ny Masindahy ity. Sokajy efatra no hifaninanana amin’izany dia ny ‘minime’, ‘cadet’, ‘junior’, ary ‘senior’ lahy sy vavy. Hanomana ekipam-pirenena hiatrika io fifaninanana io ny federasiona Malagasy ary handefa ny ekipam-pireneny hanomana ny Lalaon’ny nosy 2011 koa ry zareo Renioney. Hanana ny solontenany amin’io koa anefa ireo klioba eto amintsika. Fantatra ihany koa fa handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika andiany faha-30 izay hatao any Yaoundé Cameroun ny 17-18 aprily izao isika malagasy. Hanatontosa ny fivoriambeny ihany koa ny federasiona ny 31 martsa izao handany ny sata mifehy ny taranja izay hampifanarahana amin’ny an’ny federasiona iraisam-pirenena izay vao nasiam-panovana tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany natao tany Pays-Bas ny volana aogositra 2009 teo.
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT