Judo_Fiadiana ny tompondaka eran-tany

Lavo fa mbola hiarina i Laura Rasoanaivo…


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Resin’ilay Danoise Laerke Olsen izay tompondaka lefitra eran-tany tamin’ny 2018 i Laura Rasonaivo androany

tamin’ny fiankarany an-tsehatra amin’ny Fiadiana izay ho tompondaka eran-tany tanterahana any Abu Dhabi. Resy tamin’ny «ippon » tao anatin’ny 2 minitra sy 25 segaondra ity judokate Malagasy ity, na teo aza ny ezaka nataony, ary niara-dàlana aminy any an-toerana ny mpanazatra azy Mamy Randriamasinoro. Naneho i Laura Rasoanaivo fa maka lesona ao anatin’ny hirifiry, faharesena, miaina ivelan’ny fahasambarana, miaina ny zava-misy, saingy miarina avy eo. Tsara ny manamarika, fa tafiditra anatin’ny fakana toerana tsara hahafahana miatrika ny lalao olaimpika hatao any Paris amin’ny jolay sy aogositra 2024 iny. Irariana mba ho isan’ireo ho tafita amin’izany ity atleta isan’ny reharehan’i Madagasikara izay namiratra tamin’ireo fifaninana maro, indrindra taty Afrika ity, na teo aza iny vokatra tany Abu Dhabi omaly iny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT