Sport

Judo club St Michel – ‘Raid Attitude’ Nanjakan’ny ekipan’ny Ankoay aventures


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010


Hafa kely ary niavaka ny fifaninanana ara-panatanjahantena “Raid Attitude” natao ny sabotsy teo, tafiditra tamin’ny fankalazan’ny Judo club St Michel ny faha-50 taona niorenany. Ekipa 14, nahitana mpikatroka telo avy no niatrika io fifaninanana io ka nandrombaka ny laharana voalohany ny Ankoay Aventures (1:12:12), izay norafetin’i Heriniaina Henintsoa sy Ingy Serge Angelo ary Ndimby Sarobidy. Laharana faharoa kosa ny ekipan’ny Uscaj (1:25:57) ary fahatelo ny SEEM (1:28:25). Nizara dingana telo ny fifaninanana ka nisantarana izany ny hazakazaka an-tongotra (trail) tamin’ny halaviran-dalana nirefy 12km niainga avy teny Antsahadinta nihazo an’i Vontovorona. Nandray lakana indray avy eo ireo mpifaninana ary niampita ny farihin’i Vontovorona. Ny dingana fahatelo farany no tena zava-baovao ho an’ireo mpandray anjara rehetra dia ny fihanihana hazo (Accro-branches) amin’ny alalan’ny tady manokana efa misy fiarovana tsy hianjera. Notolorana manokana ny loka fankaherezana kosa ny ekipan’ny Océane Aventures izay norafetin’andriambavilanitra manontolo sy ramatoa Raonintsoa Eliane, filohan’ny Ortana ary ny tale teknika nasionalin’ny federasiona Ramanamiseta Lala. Mitohy ny hetsika fankalazana ho an’ny JCS. Anisan’ny hetsika goavana manaraka ny fifaninanana iraisam-pirenena izay hatao eto an-drenivohitra ny 7-8 aogositra, ka efa azo antoka handray anjara amin’izany ireo avy amin’ny nosy rahavavy manodidina.

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT