Sport

Judo - Amboaran'i Afrika Junior Nahazo medaly volamena indray i Laura Rasoanaivo


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Tena mafy tena mafy raha eo amin'ny sehatry ny judo raha ity Laura Rasoanaivo Razafy ity. Asa aloha izay afitsony eo amin'ny fifaninanana eran-tany fa raha Afrika aloha indrindra ny sokajy junior dia voafehiny tanteraka.

Mbola noporofoiny izany ny sabotsy teo tany Alger nandritry ny fiadiana ny amboaran'i Afrika teo amin'ny latsaky ny 70 kg. Resiny teo amin'ny famaranana ilay Alzerianina Benchallal Dyhia tamin'ny fomba tena avo lenta. Nazerany tamin'ny Harai Makikpmi ary dia notsindriany tsy afaka nihetsika raha mbola nisy iray minitra tsy ahatapitra ny ady Mafy izy e. Ary raha toa ireo medaly volamena telo azony tany Tonizia sy Alzeria ireo no kajiana dia inoana marimarina fa hanokatra varavarana ho an'i Laura any amin'ireo foibe fiofananana avo lenta toa ny INSEP ao Paris. Asa aloha fa miankina amin'ny fahazain'ny filohan'ny federasiona Saïd Bruno Eric mandresy lahatra satria rariny raha manohana azy koa i Siteny Randrianasoloniaiko izay filohan'ny federasion afrikanina eo amin'ny judo. Raha tsy asiana loko politika mantsy dia tokony hanohana koa ny ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahatena.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT