Sport

Judo - Afrika Namiratra indray i Laura Rasoanaivo tany Luanda


  • Talata 11 Aprily 2023

Fandresena miezinezina roa indray no azon'i Laura Rasoanaivo tatsy Luanda Angola ny faran'ny herinandro teo. Lasany mantsy ny amboara teo amin'ny sojajy juniors latsaky ny 70 kg.

Ary dia mbola lasany ihany koa ny teo amin'ny Open séniors tao amin'io sokajin-danja io. Vokany dia tafakatra laharana fahatelo eran-tany eo amin'ny judo juniors izy. Sambany vaonisy Malagasy lasa lavitra toy izany ary isan'ny reharehantska ny zava-bitann'ity zanaky i Luc Rasoanaivo Razafy ity. Raha ny tokony ho izy satria efa fanao ny manome mari-boninahitra ireo mpanao fanantanjahatena mamiratra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia tokony omena ny anjara tandrify azy i Laura Raha tsy hoe misy hidiran'ny politika indray ka hoe na dia efa Saïd Bruno Eric aza ny filohan'ny Federasiona dia mbola misy dian-tanan'i Siteny Randrianasoloniaiko ity judo ity. Dia ho tonga amin'izany ve ?
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT