Sport

Judo -70 kg , tompondakan’i Afrika Norombahin’i Laura Rasoanaivo ny medaly volamena


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Nisongadina sy namiratra indray ny Malagasy ho an’ny lafiny fanatanjahantena, taranja tolona na “judo” nandritra ny fifaninanana tompondakan’i Afrika.

Norombahin’i Laura Rasoanaivo mantsy ny medaly volamena ho an’ny fiadiana ka nahavoahosotra azy ho tompondakan’i Afrika sokajy “junior” ho an’ny latsaky ny 70kg. Lavony teo amin’ny famaranana solontenan’i Egipta ka nanazoan’ity solontena Malagasy ny amboara sy ny anaram-boninahitra. Medaly alimo kosa no azon’i Lova Ramahaisoa tao anatin’ny sokajy latsaky ny 73kg, izay midika fa tsy nitsanga-menatra hatrany ny solontena Malagasy. Izy roa ireo moa no solontenantsika tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika tamin’ny sokajy “junior” sy “cadet” ka izao nampiakatra avo ny voninahitr’i Madaasikara izao. Ilaina tohanana sy hatosika hatrany ny atleta hita fa mahomby sy mamiratra tahaka izao, mba ho fitaratry ny hafa, fa tsy tokony ho izay mety ahitana tombony ara-politika na hatao fitaovana ihany no jerena.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT