Sport

Journée Internationale du Football et de l’amitié Nanamarika izany tetsy Amparibe i Madagasikara


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Nanamarika ny andro iraisam-pirenena « jourrnée Internationale du Football de l’amitié » niaraka tamin’ireo firenena miisa 211 mandray anjara amin’ny tetikasa Football For Friendship 2018 karakarain’ny orinasa Gazprom any Rosia i Madagasikara.

 

 Tetsy amin’ny kianjan’ny kolejy St Michel Amparibe no nanatanterahana an’izany omaly alarobia 25 aprily 2018. Nisy ny lalao fampisehoana niaraka tamin’ny solontenan’ny ekipan’ny Cnaps Sport sy ny solontenan’ireo andriambavilanitra ao amin’ny ekipam-pirenen’ny baolina  kitra vehivavy Malagasy tamin’izany ary ny fizarana ny « bracelets  de l’amitié » miloko manga sy maitso taratry ny habakabaka ambony sy ny bozaka filalaovam-baolina ety ambany mariky ny fifandeferana sy ny firahalahiana. Nandray anjara tamin’ny hetsika sady naseho ny rehetra ampahibemaso izy mianadahy voafidy handray anjara amin’ity tetikasa  ity dia i  Itokiana Ratsimbason mpilalao baolina ao amin’ny kolejy St Michel Amparibe sy Irintsoa Rakotomamonjy mpianatry ny Kits 4 Kids eny Ilafy. Samy handray anjara amin’ny  « Coupe du monde du football For Friendship » hotanterahina any Rosia ny 8-15 jona 2018 any Rosia. Itokiana dia hilalao ao amin’ny ekipan’ny « Dama Gazelle »  ary Irintsoa kosa dia ho mpanao gazety tanora solontena Malagasy hiatrika an’izany. Mbola hanatrika ny lalao fanokafana ny Coupe du Monde 2018 hatao any Rosia kosa ka hifanandrinan’i Rosia sy Arabie Saoudite izy mianadahy ireto.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT