Joma tsy mahazo milalao kitra 2 taona

Tsy mazava ny fanasazian’ny FMF…


  • Zoma 03 Mey 2024

Hatramin’ny 1 may teo no efa heno fa voasazy tsy afaka milalao baolina kitra mandritry ny 2 taona i Rajomazandry Andrinirina na i Joma,

mpiandry tsatoby eo anivon’ny Fosa Junior. Mbola tsy fantatra mazava hatramin’izao ny anton'ity fampiatoana ity. Voalaza hatramin’ny omaly fa mbola tsy nisy valiny ny taratasy nalefan’ity klioba isan’ny manana ny maha izy azy eto Madagasikara ity any amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra nangatahana fanazavana ny amin’ny mety ho anton'izao fanapahan-kevitra izao. Mbola afaka milalao baolina kitra tsara i Joma, izay hany antom-pivelomana ho azy sy ny vady aman-janany. Ezaka sy finiavana avy aminy no naha voaantso azy handrafitra ny ekipam-pirenena nanomboka tamin'ny 2007 na Barea U17, 2018 na Barea Cosafa sy Chan, 2019 na Barea A, 2021 na Barea CHAN, ary Barea A tamin'ny 2023, hoy hatrany ny fanazavan’ny filohan'ity klioba ity. Tsiahivina, etsy ankilany, fa volana maro lasa izay no niteraka fifanolanana teo amin’ity klioba ity sy klioba iray hafa efa nilalaovan’i Joma ny momba azy. Ity ve izany no tonga amin’ilay fitenenana hoe «izy mivady no miady dia ny zanany no voatorotoro»?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT