John Baggio

Mbola tsy nandiso fanantenana ny kitra ao Thaïlande


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Mbola tsy nandiso fanantenana ny kitra ao Thaïlande, raha ilay lohalaharana malagasy, Jhon Baggio,

rehefa jerena ny lalana nodiaviny hatramin’izay ka hatramin’izao tao amin’ny fifaninanam-pirenena thailandey ho an’ny divizionina voalohany. Noporofoiny sahady indray izany ho an’ity taom-pilalaovana 2024 – 2025 ity satria tamin’ireo lalao miisa 19 niaraka tamin’ny kliobany Sukhothai FC dia nahatafiditra baolina miisa 10 ny lehilahy. Nahavita tolotra tsy azo ivalozana miisa 7 ihany koa saingy in-5 nahazo karatra mavo kosa. Azo lazaina ho mbola tena andrin’ny ekipany ny lehilahy ao anatin’izao faha 33 taonany izao. Mirefy 1,58 metatra moa izy ary tena mbola mampahatsiahy an’i Rainilaikely na i Voavy Paulin ny hakingany sy angovony eny ambony kianja. Isan’ny efa ela no nampametra-panontaniana ny antony tsy niantsoana azy hanatevina ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra malagasy na Barea saingy asa amin’ity fiarahana amin’ny mpanazatra vaovao Corentin Martins ity na hanao ahoana indray!
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT