Sport

Jocelyn Razafimamonjy – FMF “Tsy afaka hahazo lalao ara-pirahalahiana ankoatry ny teo isika”


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Efa milamina ny momba ny kianjan’i Barikadimy handraisana ny lalaon’ny ekipam-pirenen’i Cote d’ivoire sy Madagasikara amin’ny 14 novambra izao, hoy

 

 

ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, Jocelin Razafimamonjy omaly. Ilaina marihina foana fa ny 30%n’ireo mpijery zakan’ny kianja ihany, izany hoe, eo amin’ny 5000 isa eo no afaka manatrika izany. Tafiditra ao anatin’izay ny mpilalao sy ireo ofisialin’ny lalao toy ny kaomiseran’ny lalao, ny resaka fandriampahalemana, ny mpilatsaka an-tsitrapo sy ny rehetra. Araka ny fangatahan’ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, ihany koa dia mba hampidirina anaty arofenitry ny fahasalamana ny fisiana fanazarantena iarahan’ireo mpilalao 25 mirahalahy voaantso ary mba ho in-dray mandeha fara faharatsiny hizarana amin’izay fanotronana tsy misy afa-tsy 30% izay. Lalao goavana ary iankinan’ny fahazoantsika ny tapakila hiatrehana ny CAN 2022 ny lalao amin’ny novambra, hoy hatrany ny fanazavany. Miezaka sy miara-miasa akaiky noho izany ny mpanazatra sy ny FMF ary ny minisitera hanao izay hahatomombana an’io. Tsy misy ny olana, hoy izy, fa ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasionina dia miray saina amin’ireo voalaza ireo. Tsy afaka ny hahazo lalao ara-pirahalahiana ankoatr’ireny miisa 2 efa vita ireny moa isika, hoy izy, satria efa mikatona ny fahafaha-manao izay hatramin’ny taona ho avy ka noho izany dia lalao ofisialy avokoa indray aloha no tokony hifanjohy manaraka eo, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT